Potamochoerus
Fiseho

Ny Potamochoerus dia vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Suidae (ahitana ny lambo sy ny kisoa koa). Ny karazana roa misy ao aminy dia voafetra ao Afrika atsimon' i Sahara, na dia hita ihany koa eto Madagasikara sy any amin' ny nosy manodidina ny lambo, angamba noho nampidirina. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20 dia noheverina fa misy karazana dimy isan-karazany ao anatin' ilay vondron-karazana. Natambatra tsikelikely ireo, mandra-pahatongan' ny taompolo 1970, dia nifanarahana tamin' ny ankapobeny fa ao amin' ny karazana tokana (Potamochoerus porcus) izy rehetra. Noheverina ho indray ho karazana misaraka nanomboka tamin' ny 1993 tany ho any ny Potamochoerus larvatus.
Misy karazana telo ny , dia:
- ny Potamochoerus porcus (mbola velona)
- ny Potamochoerus larvatus (mbola velona)
- ny Potamochoerus magnus (fôsily)