Roy (zavamaniry)
Fiseho
Ny hoe roy dia anaran' ny hazo madinika isan-karazany amin' ny teny malagasy, izay amin' ny ankapobeny misy tsilo. Mba hampiavaka ny anaran' ny zavamaniry tsirairay dia misy tohiny io anarana io. Ireto ny sasany amin' ireo zavamaniry ireo:
- roibe (Hibiscus diversifolius); roibelahy (Hibiscus diversifolius var. partitus); roibevavy (Hibiscus diversifolius var. partitus), ao amin' ny fianakaviana Malvaceae;
- roibontsy (Acacia rovumae), ao amin' ny fianakaviana Fabaceae;
- roifantaka (Gymnosporia divaricata; Gymnosporia leptopus; Carissa edulis var. subtrinervia; Gymnosporia crataegina), ao amin' ny fianakaviana Celastraceae sy Apocynaceae;
- roimainty (Rubus apetalus; Rubus fruticosus; Rubus myrianthus; Rubus pauciflorus; Toddalia asiatica; Hibiscus diversifolius; Dichrostachys tenuifolia), ao amin' ny fianakaviana Rasaceae, Rutaceae, Fabaceae ary Malvaceae;
- roimemy (Mimosa latispinosa) ao amin' ny fianakaviana Mimosaceae;
- roimena (Acacia sakalava; Acacia pervillei) ao amin' ny fianakaviana Fabaceae;
- roimbazaha (Biancaea decapetala), ao amin' ny fianakaviana Fabaceae;
- rointsokina (Barleria prionitis subsp. madagascariensis; Gymnosporia commiphoroides), ao amin' ny fianakavian-javamaniry Acanthaceae sy Celastraceae.
- roipitaka (Acacia sakalava), ao amin' ny fianakaviana Fabaceae;
- roipitika (Mimosa grandidieri; Acacia Sakalava; Acacia bellula), ao amin' ny fianakaviana Fabaceae.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fianakavian-javamaniry
Vondron-karazan-javamaniry