Sariela
I Sariela na Sarakiela dia anjely avy amin' ny lovantsofina jiosy indrindra sy ao amin'ny esôterisma. Anjely mifandray amin' ny rariny sy ny fahamarinana' Andriamanitra sy amin' ny fitarihana ara-panahy ary amin' ny fanaraha-maso ny fanahin' olombelona izy.
Ny anarany
[hanova | hanova ny fango]Maro ny anarana iantsoana azy, ankoatry bny hoe Sariela sy Sarakiela, ka anisan' izany ny hoe Sarakaela, Saoriela, Soroela, Sorofela, Sôoriela. Amin' ny teny hebreo sy arameana izy dia atao hoe שָׂרִיאֵל / Śārīʾēl ("Andriamanitra no mpitondra ahy"); amin' ny teny grika dia Σαριηλ / Sariēl; ary amin' ny teny kôpta dia ⲥⲟⲩⲣⲓⲏⲗ / Souriēl; amin' ny teny amharika: ሰራቁያል / Säraquyael na ሰረቃኤል / Säräqael. Amin' ny lovantsofina hafa dia anarany koa ny hoe Soriela (Suriel na Suriyel, ao amin' ny lahatsoratra sasany ao amin' ny Horonam-bokin' ny Ranomasina Maty), Seriela (Seriel), Saoriela (Sauriel), Sarakaela (Saraqael), Sarakiela (Sarakiel), Soroela (Suruel), Sorofela (Surufel), ary Sôoriela (Souriel).
Firesahana azy
[hanova | hanova ny fango]Il est souvent mentionné dans des textes judaïques et chrétiens comme un ange important, parfois associé à la mort ou à la guérison
Matetika i Sariela no resahina ao amin' ny lahatsoratra jiosy sy kristiana ho anjely manan-danja, indraindray mifandray amin' ny fahafatesana na ny fanasitranana[1].
Voalaza ao amin' ny 1Henôka (20:6) fa "iray amin' ny anjely masina izay voatendry ho mpanapaka ny zanak' olombalona manota" izy[2]. Nolazain' i Ôrigenesy fa i Soriela dia iray amin' ny anjely fito izay heverin' ny Ôfita ho hery voalohany. Ao amin' ny gnôstisisma, i Sariela dia voantso noho ny heriny miaro. Tsarovana izy ao amin' ny tetiandron' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôpta amin' ny 27 Tobi ao amin' ny tetiandro kôpta.
Tsy tokony hafangaro izy amin' ilay anjely mpitily lavo atao hoe Sahariela (hebreo sy arameana: שַׂהֲרִיאֵל / Śahărīʾēl, "Volana ho ahy Andriamanitra") izay mitondra anarana mitovy aminy. Ao amin' ny 1Henôka (8:8) dia voalaza fa nampianatra ny olona ny lalan' ny Volana izy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Kabala
- fanahy (ao amin' ny fanandroana sy ny sikidy): Adnakiela - Agiela - Ambriela - Anaela - Apôlôna - Asmôdela - Atena - Barbiela - Barkiela - Bartsabela - Diana - Gabriela - Grafiela - Hagiela - Hamaliela - Hanaela - Hasmôday (na Asmôdeo) - Hismaela - Jôfiela - Jonô - Jopitera - Kasiela - Kedemela - Keresy - Malkidaela - Marsa - Merkiora - Mikaela - Moriela - Nakiela (Nakhiel)[3] - Neptiona - Rafaela - Sakiela - Samaela - Sarakiela (Sarachiel) - Satiorna - Sôrata (Sorath)[4] - Taftartarata - Tiriela (Tiriel)[4] - Venosy - Verkiela - Vesta - Volkano - Zazela - Zoriela
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Archange Saraqael", www.france-mineraux.fr
- ↑ Abbé Migne, Le Livre d'Hénoch (vakio ao amin' ny Wikisource), « 19.6 »
- ↑ "Tree of Life:Astrology - Intelligences of the Planets", in Thelemaopedia
- ↑ 4,0 et 4,1 "Tree of Life:Astrology - Spirit of the Planets", in Thelemaopedia