Aller au contenu

Sianida

Avy amin'i Wikipedia
Sary maneho ny firafitry ny sianida

Ny sianida na sianiora dia teny mahafaobe anondroana ny haro simika misy ny iôna-na sianiora (CN⁻), ahitana atôman-karbônina iray sy atôman' azôta iray. Misy amin' ny endrika samihafa izy io:

  • ny sidra sianidrika (HCN): etona tena misy poizina ampiasaina amin' ny indostria ary azo mivoaka avy plastika sasany nodorana;
  • ny sira sianida na sira sianiora: ohatra, ny sianiora-na pôtasiôma (KCN) sy ny sianiora-na sôdiôma (NaCN), izay tena misy poizina ary ampiasaina amin' ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany, amin' ny fandrendrehana metaly ary amin' ny indostrian' ny simia.
  • ny sianida voajanahary: misy ao amin' ny zavamaniry sasany toy ny amandy mangidy, ny mangahazo, ny voan' ny abrikôn, ny ovy, izay misy glikôsida sianôzenina afaka mamoaka sianida mandritra ny fandevonan-kanina.
Fikarakarana ny mangahazo mba hanalana ny sianida ao Nizerià

Ny sianida dia manakana ny selan-javamananaina tsy hampiasa ôksizenina, izay miteraka fahasemporana haingana mety hitarika fahafatesana ao anatin' ny minitra vitsy raha amin' ny fatra ambony.

Na dia eo aza ny maha poizina azy dia ampiasaina ny sianida:

  • amin' ny fitrandrahana volamena sy volafotsy;
  • amin' ny fanamboarana plastika, sy poizina famonoana zavamananaina ary loko.
  • amin' ny fampiharana ara-pitsaboana sasany (ohatra ny nitrôprosiata-na sôdiôma hitsaboana vonjy maika ny fiakaran' ny tosi-dra vonjy maika).

Noho ny loza aterany dia mila fitandremana fatratra ny fikirakirana ny sianida.